Atsaharo re ny ditra foano koa ny hadalana
Tsy ho ela ireny dia ho ritra ka mahatonga fahantrana
Raha ny vola no ianteherana tsy ampy k’inona dia lany
Ary mba tsy hisian’ny fiserana dia mba saino mora ihany
Mora ritra mora lany ka raha izany dia fantaro
Na ho vitsy na ho maro vetivety dia hivaona
Satria ny vola o! mora tola o!
Ary mba tsy hanenenanao dia tsitsiho hatramin’izao
Ka mahaiza, mahaiza mba mikendry
Tsy adala ianao, tsy adala f’olon-kendry .